1 Salamo nataon'i Davida. Jehovah , henoy ny fivavako, ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao; Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.

2 Ary aza dia mifandahatra amin'ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.

3 Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin'ny tany izy: Nampitoeriny tao amin'ny maizina aho, toy izay efa maty ela.

4 Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko.

5 Mahatsiaro ny andro fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan'ny tananao no eritreretiko.

6 Mananty tanana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao.

7 Faingna hamaly ahy, Jehovah , fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.

8 Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko.

9 Jehovah , vonjeo amin'ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko.

10 Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin'izay tany marina.

11 Noho ny anaranao, Jehovah , velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin'ny fahoriana.

12 Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho.
